1 Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra dia eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra; ary eo amin'ireo andriamanitra no itsarany.

2 Mandra-pahoviana no hitsarnareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? 

3 Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo;

4 Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy.

5 Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin'ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin'ny tany rehetra.

6 Hoy izaho: Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra;

7 Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin'ny lehibe.

8 Mitsangna, Andriamanitra , tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra.
